Bokin'i Mika 1:14
Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’ i Moresetagata; Ranotrambo ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ireo tranon’ i Akziba.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 15:44sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
2 Kings 16:8Ary nalain’ i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria.
2 Chronicles 16:1Tamin’ ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan’ i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an’ i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.
Psalms 118:8Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.
Isaiah 30:6Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.