Bokin'i Mika 1:15
Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 38:1Ary tamin’ izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
Joshua 15:35sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
1 Samuel 22:1Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin’ ny zohin’ i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
Isaiah 7:17Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ ny andro nialan’ i Efraima tamin’ ny Joda (Dia ny mpanjakan’ i Asyria);
Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!