Bokin'i Mika 1:5
Noho ny fahadisoan’ i Jakoba sy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely no isian’ izany rehetra izany. Iza no nahadiso an’ i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’ i Joda? Tsy Jerosalema va?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 13:32fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin’ i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin’ ny alitara ao Betela sy amin’ ny trano rehetra eny amin’ ny fitoerana avo izay any an-tanànan’ i Samaria.
2 Kings 16:3fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 17:7Ary ny nahatongavan’ izany dia noho ny nanotan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho afaka tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
2 Chronicles 28:2fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ireo Bala koa.
2 Chronicles 28:23Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo andriamanitr’ i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’ i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
Isaiah 50:1Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.