The Bible Software
bible.software › Bokin'i Mika › Bokin'i Mika 1 › Bokin'i Mika 1:6

Bokin'i Mika 1:6

Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Therefore I will make Samaria as an heap of the field, and as plantings of a vineyard: and I will pour down the stones thereof into the valley, and I will discover the foundations thereof.

In Context

5Noho ny fahadisoan’ i Jakoba sy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely no isian’ izany rehetra izany. Iza no nahadiso an’ i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’ i Joda? Tsy Jerosalema va?

7Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin’ ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin’ ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin’ ny vehivavy janga indray izy.

Read all of Bokin'i Mika 1

Cross References

2 Kings 18:9Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, izany) no niakaran’ i Salmanesera mpanjakan’ i Asyria, hamely an’ i Samaria sy nanaovany fahirano azy.

2 Kings 19:25Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.

Isaiah 25:12Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin’ ny tany, dia hatramin’ ny vovoka.

Jeremiah 51:25Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.

Lamentations 4:1Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Mika 1:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Mika 1:5Bokin'i Mika 1Bokin'i Mika 1:7 →