Bokin'i Mika 1:8
Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 4:1Nony fantatr’ i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan’ ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
Psalms 102:6Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro.
Isaiah 16:9Koa izany no hitomaniako ny voalobok’ i Sibma, toy ny fitomanian’ i Jazera, handena anao amin’ ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin’ ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.
Isaiah 21:3Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
Jeremiah 4:19Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.
Jeremiah 9:10Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan’ ny amboadia; ary ny tanànan’ ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.