Bokin'i Mika 2:1
Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:32Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
Esther 3:8Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
Esther 9:25fa raha nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin’ ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain’ i Hamana hatao amin’ ny Jiosy, ary mba hahantona amin’ ny hazo izy sy ny zananilahy.
Psalms 7:14Ary ireo dia kendreny amin’ ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
Psalms 36:5Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
Psalms 140:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.