Bokin'i Mika 2:12
Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin’ ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin’ ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin’ ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan’ ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 36:33Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak’ i Zera avy tany Bozra.
Isaiah 11:11Ary amin’ izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin’ ny moron-dranomasina.
Isaiah 34:6Ny sabatr’ i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin’ ny matavy sy amin’ ny ran’ ny zanak’ ondry sy ny osilahy ary amin’ ny fonomboan’ ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin’ ny tany Edoma.
Jeremiah 23:3Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin’ ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
Ezekiel 34:11Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
Ezekiel 34:22dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin’ ny ondry amin’ ny ondry namany.