Bokin'i Mika 2:6
Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin’ ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
Cross References
Isaiah 30:10Izay manao amin’ ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
Jeremiah 8:11Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
Jeremiah 26:20Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia Oria, zanak’ i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin’ ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon’ i Jeremia izany koa.
Amos 2:12Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
Amos 8:11Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’ i Jehovah;