Bokin'i Mika 3:1
Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon’ i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak’ Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 1:13Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin’ ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
2 Chronicles 19:5Ary nanendry mpitsara tamin’ ny tany izy, dia tamin’ ny isan-tanàna mimanda eran’ i Joda,
Psalms 14:4Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
Isaiah 1:10Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’ Andriamanitsika, ry vahoakan’ i Gomora.
Jeremiah 5:4Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan’ i Jehovah, na ny fitsipik’ Andriamaniny;
Jeremiah 13:15Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.