Bokin'i Mika 3:2
Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin’ ny taolany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 22:6Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an’ i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Psalms 15:4Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
Psalms 139:21Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin’ izay mitsangana hanohitra Anao?
Isaiah 3:15Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Ezekiel 22:27Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ ny tsy marina.
Amos 4:1Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr’ ombivavin’ i Basana, izay eny an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin’ ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika.