Bokin'i Mika 3:4
Amin’ izany dia hitaraina amin’ i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin’ izany andro izany Izy Araka ny faharatsian’ ny nataon’ ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 31:17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
1 Samuel 8:18Ary hitaraina amin’ izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin’ izany andro izany.
Psalms 18:41Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
Proverbs 28:9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Isaiah 3:11Lozan’ ny ratsy fanahy! hiharan’ ny ratsy izy, Satria ny valin’ ny nataon’ ny tànany ihany no hanody azy.
Isaiah 59:3Fa ny tananareo dia voaloto amin’ ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.