Bokin'i Mika 3:7
Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 9:11Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan’ i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin’ ny Egyptiana rehetra.
1 Samuel 9:9(Fahiny teo amin’ ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin’ Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin’ ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)
1 Samuel 28:6Ary Saoly dia nanontany tamin’ i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin’ ny nofy, na tamin’ ny Orima, na tamin’ ny mpaminany.
Psalms 74:9Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’ izao.
Isaiah 47:12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Ezekiel 24:17Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin’ olona.