Bokin'i Mika 4:1
Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 49:10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Psalms 68:15Raha aelin’ ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
Psalms 72:7Ny marina hitrebona amin’ ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
Psalms 86:9Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
Isaiah 2:1Ny teny izay hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny Joda sy Jerosalema.
Isaiah 11:9Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’ i Jehovah, tahaka ny anaronan’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina.