Bokin'i Mika 4:10
Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan’ i Jehovah anao ho afaka amin’ ny tanan’ ny fahavalonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 20:18Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ i Babylona ireo.
2 Chronicles 33:11Dia nentin’ i Jehovah hamely azy ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Asyria, dia nosamborin’ ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.
2 Chronicles 36:23Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.
Psalms 106:10Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo.
Isaiah 45:13Izaho no nanaitra azy io tamin’ ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isaiah 52:9Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.