Bokin'i Mika 4:7
Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin’ izany ka ho mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 6:13Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masìna ho fotony.
Isaiah 10:21Ary izay sisa amin’ i Jakoba dia hiverina ho amin’ Andriamanitra Mahery.
Isaiah 24:23Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan’ ny loholony dia misy voninahitra.
Isaiah 60:22Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ ny fotoany.
Ezekiel 43:7Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, eto no hitoeran’ ny seza fiandrianako sy hitoeran’ ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ ny zanak’ Isiraely; ary tsy holotoin’ ny taranak’ Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin’ ny fijangajangany sy amin’ ny sampin’ ny mpanjakany ao amin’ ny fitoerany avo intsony ny anarako masìna,
Daniel 7:27Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ ny fanjakana eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.