Bokin'i Mika 5:2
Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 35:19Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
Genesis 49:10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Exodus 18:25Dia nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
Judges 17:7Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin’ ny fokon’ i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.
1 Samuel 8:12ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
1 Samuel 17:12Ary Davida dia zanak’ ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin’ ny andron’ i Saoly;