Bokin'i Mika 5:6
Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin’ i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin’ ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak’ olombelona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 10:8Ary Kosy niteraka an’ i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ ny tany.
2 Kings 15:29Tamin’ ny andron’ i Peka, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, ka nahafaka an’ Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin’ ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
2 Kings 18:9Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, izany) no niakaran’ i Salmanesera mpanjakan’ i Asyria, hamely an’ i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
1 Chronicles 1:10Ary Kosy niteraka an’ i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery teo ambonin’ ny tany.
Job 29:22Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.
Psalms 110:3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.