Bokin'i Mika 5:7
Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny jentilisa, Ao amin’ ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin’ ny biby any an’ ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ ny andian’ ny ondry aman’ osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Aoka haingaina amin’ ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
Cross References
Deuteronomy 32:2Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin’ ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin’ ny anana.
Psalms 72:6Hidina tahaka ny ranonorana amin’ ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin’ ny tany.
Isaiah 32:15Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin’ ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
Isaiah 55:10Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ ny mpamafy sy hanina ho an’ ny mpihinana,
Jeremiah 14:22Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.
Ezekiel 14:22Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin’ ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin’ i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.