Bokin'i Mika 6:10
Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon’ ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
Cross References
Deuteronomy 25:13Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.
Joshua 7:1Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.
Proverbs 10:2Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana.
Proverbs 20:10Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
Proverbs 21:6Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana.
Jeremiah 5:27Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.