Bokin'i Mika 6:14
Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin’ ny sabatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin’ ny fandringanako anao noho ny helokao.
Cross References
Leviticus 26:26Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
Deuteronomy 32:25Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin’ ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.
Isaiah 9:20Eny, Manase mihinana an’ i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’ i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an’ i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Isaiah 30:6Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.
Jeremiah 48:44Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa hataoko tonga amin’ i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
Ezekiel 5:12Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ ny areti-mandringana na ho ringan’ ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.