Bokin'i Mika 6:16
Fa fatra-pitandrina ny lalàn’ i Omry Sy ny asan’ ny taranak’ i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan’ ny oloko ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 9:8ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan’ izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
1 Kings 18:4ka nony naringan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia nalain’ i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
2 Kings 16:3fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Chronicles 22:4Ka dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah toy ny taranak’ i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian’ ny nahafatesan’ ny rainy ka nampidi-doza taminy.
2 Chronicles 34:25Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin’ izay rehetra nataon’ ny tànany, dia haidina amin’ ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
Psalms 44:13Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny.