Bokin'i Mika 6:2
Mihainoa ny adin’ i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan’ ny tany; Fa Jehovah manana ady amin’ ny olony, Eny, amin’ ny Isiraely no ifandaharany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
Cross References
Deuteronomy 32:22Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza.
2 Samuel 22:16Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin’ ny tany, noho ny teny mafy nataon’ i Jehovah, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavorony.
Proverbs 8:29Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,
Isaiah 3:13Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
Isaiah 43:26Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
Jeremiah 2:29Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.