Bokin'i Mika 6:8
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’ i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 5:22Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ ny niterahany an’ i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Leviticus 26:41ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, raha hietry amin’ izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin’ ny helony izy,
Deuteronomy 27:10Koa henoy ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.
1 Samuel 12:23Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’ i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
2 Chronicles 30:11Kanefa kosa ny tamin’ ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
2 Chronicles 33:12Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’ Andriamanitry ny razany