Bokin'i Mika 6:9
Manaitra ny tanàna ny feon’ i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 21:1Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
Job 5:6Fa tsy mivoaka avy amin’ ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ ny tany ny fahoriana,
Job 10:2Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho.
Psalms 9:16Ny jentilisa efa latsaka tamin’ ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
Psalms 83:18Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
Proverbs 22:3Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.