Bokin'i Mika 7:12
Amin’ izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin’ ny tanànan’ i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin’ ny Ony, Ary hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina, Ary hatramin’ ny tendrombohitra ka hatramin’ ny tendrombohitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11He ny andro hananganana ny mandanao! Amin’ izany andro izany dia hitarina ny faritra.
13Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
Cross References
Isaiah 19:23Amin’ izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka.
Isaiah 43:6Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany,
Isaiah 60:4Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
Jeremiah 3:18Amin’ izany andro izany ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin’ ny tany avaratra izy ho any amin’ ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
Jeremiah 31:8Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
Ezekiel 37:21Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak’ Isiraely avy any amin’ ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin’ ny taniny: