Bokin'i Mika 7:14
Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an’ ala ao an-tampon’ i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin’ ny andro taloha ela.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
15Toy ny tamin’ ny andro nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
Cross References
Numbers 23:9Fa eto an-tampon’ ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ ny jentilisa.
Numbers 32:4ireo tany noresen’ i Jehovah teo anoloan’ ny fiangonan’ ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman’ ondry;
Psalms 23:1Salamo nataon’ i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
Psalms 77:5Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
Psalms 100:3Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.
Isaiah 27:13Ary amin’ izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah ao amin’ ny tendrombohitra masìna any Jerosalema.