Bokin'i Mika 7:16
Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Toy ny tamin’ ny andro nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
Cross References
Job 29:9Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
Psalms 126:2Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny.
Isaiah 52:15Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
Ezekiel 38:23Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Micah 5:8Aoka haingaina amin’ ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
Zechariah 12:9Amin’ izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an’ i Jerosalema Aho.