The Bible Software
bible.software › Bokin'i Mika › Bokin'i Mika 7 › Bokin'i Mika 7:18

Bokin'i Mika 7:18

Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Who is a God like unto thee, that pardoneth iniquity, and passeth by the transgression of the remnant of his heritage? he retaineth not his anger for ever, because he delighteth in mercy.

In Context

17Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.

19Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin’ ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.

Read all of Bokin'i Mika 7

Cross References

Exodus 33:18Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.

Exodus 34:9dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.

Numbers 23:21Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’ andriana no re eo aminy.

Judges 10:16Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an’ i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran’ ny Isiraely.

Nehemiah 9:17ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.

Psalms 65:3Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ ny nofo rehetra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Mika 7:18

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Mika 7:17Bokin'i Mika 7Bokin'i Mika 7:19 →