Bokin'i Mika 7:19
Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin’ ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 30:6Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
2 Samuel 24:14Dia hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
Psalms 85:3Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. [Sela.]
Psalms 103:12Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
Isaiah 33:24Tsy hisy amin’ ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
Isaiah 43:25Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.