Bokin'i Mika 7:2
Lany tsy misy amin’ ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin’ ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin’ ny harato izy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 26:20Koa aza avela ho latsaka amin’ ny tany lavitra an’ i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
Psalms 12:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida.
Psalms 14:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
Proverbs 1:11Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
Isaiah 3:5Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ ny manan-daza.
Isaiah 59:7Ny tongony miriotra ho amin’ ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany.