Bokin'i Mika 7:8
Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin’ ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 31:29Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
Psalms 20:8Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
Psalms 35:15Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;
Psalms 35:24Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian’ ireo aho.
Psalms 37:24Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
Psalms 41:10Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.