Bokin'i Mika 7:9
Ny fahatezeran’ i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin’ ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 3:18Dia nambaran’ i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
1 Samuel 25:39Ary nony ren’ i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin’ i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon’ i Nabala dia nampodin’ i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin’ i Abigaila hila azy ho vady.
2 Samuel 16:11Ary hoy koa Davida tamin’ i Abisay sy tamin’ ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
Job 23:10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
Job 35:14Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
Psalms 37:6Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.