Bokin'i Nahoma 1:11
Avy tao aminao no nivoahan’ ny anankiray izay misain-dratsy ho enti-manohitra an’ i Jehovah Sady mamoron-kevi-dratsy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
There is one come out of thee, that imagineth evil against the LORD, a wicked counsellor.
In Context
Cross References
1 Samuel 2:12Ary ny zanakalahin’ i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an’ i Jehovah.
2 Kings 18:13Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo nanjakan’ i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
2 Kings 19:22Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.
2 Chronicles 32:15Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin’ ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin’ ny tanako sy ny tanan’ ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin’ ny tanako?
Nahum 1:9Inona no heverinareo ho enti-manohitra an’ i Jehovah? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.