Bokin'i Nahoma 1:3
Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin’ ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’ i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 19:16Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
Numbers 14:18Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
1 Kings 19:11Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin’ ny tendrombohitra eo anatrehan’ i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’ i Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny horohoron-tany;
Job 9:4Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
Job 38:1Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe:
Psalms 50:3Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.