Bokin'i Nahoma 1:5
Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 19:18Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
2 Samuel 22:8Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan’ ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
Job 26:11Ny andrin’ ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ ny teny mafy ataony.
Psalms 29:5Ny feon’ i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.
Psalms 68:8Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ ny olonao Hianao ka namaky ny efitra, [Sela.]
Psalms 98:7Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.