Bokin'i Nahoma 2:4
Nomenaina ny ampingan’ ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin’ ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Proverbs 31:21Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ ondry mena avokoa.
Isaiah 66:15Fa, indro, Jehovah ho avy amin’ ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin’ ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin’ ny lelafo.
Ezekiel 26:10Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan’ ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin’ ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ ny tanàna izay voabanga izy.
Nahum 3:2Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon’ ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!