Bokin'i Nahoma 2:8
Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka ny lapa.
Cross References
Isaiah 13:14Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman’ osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin’ ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin’ ny taniny avy izy.
Isaiah 47:13Sasatra noho ny hamaroan’ ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
Isaiah 59:11Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
Jeremiah 50:16Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy sy izay mitana fijinjana amin’ ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin’ ny taniny avy.
Jeremiah 51:30Nitsahatra tamin’ ny ady ny lehilahy maherin’ i Babylona, nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
Revelation 17:1Ary tonga ny anjely anankiray tamin’ izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin’ ny rano maro,