Bokin'i Nahoma 3:14
Manangona rano ho anao ho an’ ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin’ ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 32:3dia niara-nihevitra tamin’ ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ ny loharano eny ivelan’ ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
Isaiah 8:9Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
Isaiah 37:25Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta.
Jeremiah 46:9Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.
Nahum 2:1Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.