Bokin'i Nehemia 1:11
Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason’ io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin’ ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
Cross References
Genesis 32:11tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin’ ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
Genesis 40:2Ary tezitra indrindra tamin’ ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ ny mpanao mofo.
Genesis 40:21Ary ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin’ ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan’ i Farao izy;
Genesis 41:9Dia niteny tamin’ i Farao ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:
Ezra 1:1Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Ezra 7:27Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.