Bokin'i Nehemia 1:5
ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 7:9Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ ny taranaka arivo mandimby,
Deuteronomy 7:21Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
1 Chronicles 17:21Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
Nehemiah 2:4Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin’ Andriamanitry ny lanitra aho aloha,
Nehemiah 4:14Koa eo amin’ izay fitoerana andrenesanareo ny feon’ ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
Psalms 47:2Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra.