Bokin'i Nehemia 1:9
nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin’ ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
Cross References
Leviticus 26:39Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
Deuteronomy 4:30Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
Deuteronomy 12:21Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao izay nomen’ i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin’ ny fanahinao izany.
Deuteronomy 30:2ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
1 Kings 9:3Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
Ezra 6:12Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’ Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.