Bokin'i Nehemia 10:36
ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon’ i Jehovah isan-taona isan-taona;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 10
Cross References
Exodus 13:2Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
Exodus 23:19Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Leviticus 27:26Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’ i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an’ i Jehovah izany.
Deuteronomy 12:6Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;
Nehemiah 12:44Ary tamin’ izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita avy amin’ ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian’ ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
Malachi 3:10Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’ izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.