Bokin'i Nehemia 10:39
Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’ i Arona, hiaraka amin’ ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ ny fahafolon-karena dia ho entin’ ny Levita miakatra ho ao an-tranon’ Andriamanitsika, ho ao amin’ ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 10
Cross References
Numbers 18:30Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an’ ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ ny famiazana izany.
Deuteronomy 12:17Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.
2 Chronicles 31:11Ary nasain’ i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy; dia namboariny izany.
Nehemiah 12:47Ary ny Isiraely rehetra tamin’ ny andron’ i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran’ ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan’ andro; ary nanokana izay ho an’ ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an’ ny taranak’ i Arona.
Nehemiah 13:12Dia nentin’ ny Joda rehetra ho ao amin’ ny trano firaketana ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.
Hebrews 10:25aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.