Bokin'i Nehemia 12:37
Ary hatreo amin’ ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongan’ ny Tanànan’ i Davida, tamin’ ny fiakarana amin’ ny manda eo ambonin’ ny tranon’ i Davida ka hatramin’ ny vavahadin-drano eo atsinanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 12
Cross References
Nehemiah 2:14Dia nankany amin’ ny vavahadin-doharano sy ny farihin’ ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon’ ilay biby nitaingenako naleha akory.
Nehemiah 3:26Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.
Nehemiah 8:3Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano izy hatramin’ ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ ny andro, dia teo anatrehan’ ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’ izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ ny lalàna.