Bokin'i Nehemia 12:43
Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin’ izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 12
Cross References
Exodus 15:20Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
Deuteronomy 12:11dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’ i Jehovah.
1 Chronicles 29:21Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah nony ampitson’ iny, dia vantotr’ ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ ondry arivo mbamin’ ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ ny Isiraely rehetra.
2 Chronicles 7:10Ary nony tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon’ i Jehovah tamin’ i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.
2 Chronicles 20:27Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin’ ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin’ ny fahavalony.
Ezra 3:13ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.