Bokin'i Nehemia 12:44
Ary tamin’ izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita avy amin’ ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian’ ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 12
Cross References
Numbers 8:24Ny amin’ ny Levita dia izao: Hatramin’ ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin’ ny antokony hanao ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana;
1 Chronicles 9:26Fa nanao tamin’ ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan’ ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian’ ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra koa izy ireo.
1 Chronicles 26:20Ary tamin’ ny Levita dia Ahia no tonian’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.
2 Chronicles 5:11Ary nony nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masìna ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
2 Chronicles 31:11Ary nasain’ i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy; dia namboariny izany.
Nehemiah 10:37ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’ osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon’ i Jehovah Andriamanitsika, ho an’ ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitsika;