Bokin'i Nehemia 12:47
Ary ny Isiraely rehetra tamin’ ny andron’ i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran’ ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan’ andro; ary nanokana izay ho an’ ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an’ ny taranak’ i Arona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 12
Cross References
Numbers 18:21Ary, indro, ny taranak’ i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin’ ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ ny trano-lay fihaonana.
2 Chronicles 31:5Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’ isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.
Nehemiah 10:35Ary nanao filokana izahay ny amin’ ny hanateran’ ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon’ Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin’ ny fotoan’ andro isan-taona, handoroana eo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna,
Nehemiah 11:23Fa ny didin’ ny mpanjaka ny amin’ ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan’ andro.
Nehemiah 12:12Ary tamin’ ny andron’ i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin’ i Seraia dia Meraia; ny avy tamin’ i Jeremia dia Hanania;
Nehemiah 13:10Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman’ ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.