Bokin'i Nehemia 13:11
Dia nifandahatra tamin’ ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon’ Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin’ ny toerany avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 13
Cross References
1 Samuel 2:17Ka dia lehibe indrindra ny helok’ ireo zatovo ireo teo anatrehan’ i Jehovah, satria halan’ ny olona ny fanatitra ho an’ i Jehovah.
Nehemiah 10:39Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’ i Arona, hiaraka amin’ ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ ny fahafolon-karena dia ho entin’ ny Levita miakatra ho ao an-tranon’ Andriamanitsika, ho ao amin’ ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.
Nehemiah 13:25Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin’ Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
Proverbs 28:4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy.