Bokin'i Nehemia 13:14
Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin’ ny tranon’ Andriamanitro sy ny amin’ ny raharaha tokony hatao ao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 13
Cross References
2 Kings 20:3Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
2 Chronicles 24:16Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida tao amin’ ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ ny Isiraely ary tamin’ Andriamanitra sy ny tranony koa.
Ezra 7:20Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an’ ny tranon’ Andriamanitrao dia alao ao amin’ ny trano firaketan’ ny mpanjaka.
Ezra 7:27Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Nehemiah 13:22Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben’ ny famindram-ponao.
Psalms 122:6Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;