Bokin'i Nehemia 13:15
Ary tamin’ izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin’ ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin’ ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin’ ny andro nivarotany hanina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 13
Cross References
Exodus 20:8Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
Exodus 31:16Dia hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
Exodus 35:2Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
Deuteronomy 5:12Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
2 Chronicles 24:19Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’ i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
Nehemiah 10:31ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin’ ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakai-lahy;